Tontosa teny amin’ny Kianjaben’i Mahamasina, ny talata teo ny lalao famaranana eo amin’ny taranja baolina kitra izay tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny fankalazana ny faha-55 taon’ny polisim-pirenena. Fihaonana efatra no notontasaina tamin’izany. Teo ny sokajy Veteran izay nihaonan’ireo polisy miasa ao amin’ny foibem-pitantanan’ny polisim-pirenena Anosy sy ireo polisy miasa any amin’ny kaomisaria sy ireo avy amin’ny sampan-draharaha samihafa antsoina hoe “Reste du monde”. Ity farany no nivoaka nandresy tamin’ny isa 2 no ho 0. Ny fiadiana ny laharana fahatelo nihaonan’ny Direction de l’école nationale supérieure de la police (DENSP) Ivato sy ny Direction provinciale de la securité publique faritany Antananarivo (DPSP). Nivoaka nandresy tamin’izany ny DENSP. Teo koa ny lalao nikatrohan’ny Staf-n’ny Minisiteran’ny filaminam-bahoaka sy ny Reste du monde izay nisaraka ady sahala ary farany ny lalao nifanandrinan’ny DRH sy ny DSP 1 ka nivoaka nandresy tamin’izany ny DRH. Tonga nanotrona ny lalao teny an-toerana ny Sekretera jeneralin’ny polisim-pirenena, ny contrôleur général de police, Andrianomenjanahary Josoa izay nisolo tena ny minisitra. Tsy ny ady amin’ny asan-jiolahy ihany, araka izany, no manavanana ny polisy fa ampy traikefa momba ny fanatanjahantena koa izy ireo.

J.C



Source link

55 taona ny polisim-pirenena : mitohy ny lalao ara-panatanjahantena (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.