Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahafito 67 ha, nandritra ny hetsika ady amin’ny harom-paosy, afakomaly ireo jiolahy enina raindahiny amin’ny harom-paosy sy fanendahana eny amin’iny faritra iny. Araka ny fanazavan’ny polisy, mbola misy tsy ampy taona ny sasany amin’izy ireo. Voalaza fa eo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be eo 67 ha no tena famelezan’izy ireo. Nisy tamin’izy ireo no tratra teo am-panaovana sinto-mahery teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be Ivato. Tao koa ireo saron’ny polisy teo amin’ny Coum 67 ha. Monina eny Andohatapenaka I sy Ampasika Avaratra ary Ambodin’Isotry ireto jiolahy ireto.

Maro, araka izany, ireo olona efa nitondra faisana tamin’ireto tontakely ireto. Ireo mpiandry taxi-be no tena lasibatr’izy ireo satria mody misisika taxi-be miaraka amin’ny mpandeha ry zalahy nefa mangarom-paosy sy manendaka. Misy amin’ireo resevera no mifandray tendro amin’izy ireny ary mahalala tsara ny endrik’ireny jiolahy ireny, saingy tsy sahy miteny noho ny tahotra valifaty satria mody mandeha taxi-be koa ny sasany amin’ireny rehefa hanao ny asa ratsiny.

Jean Claude



Source link

67 ha : jiolahy 6 tratran’ny polisy (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.