Hoavy any Antsiranana manomboka amin’ny 21 aogositra ary hijanona hatramin’ny 3 septambra ho avy izao ao amin’ny seranan-tsambo any an-toerana ny sambo iray avy any India, araka ny fanambaran’ny masoivoho indianina, Chandra Ballabh Thapliyal, omaly teny Analamahitsy, nandritra ny fanamarihana ny faha-69 taon’ny fahaleovantenan’i India. Hisy ny fifanakalozana eo amin’ny tantsambo malagasy sy indianina mandritra ny fitsidihana. Eo koa ny asa sosialy fanomezana fanafody ny hopitaly ao Antsiranana sy ny maro hafa.

Nandritra ny taona maro no niara-niasa ny fanjakana indianina sy malagasy amin’ny sehatra maro : fampianarana, fahasalamana… Mbola nanamafy izany ny fahatongavan’ny Malagasy maro nandritra ny fanamarihana ny faha-69 taon’i India. Fety faharoa aorian’ny 26 janoary izay fetin’ny Repoblika nahazoana ny Lalampanorenana indianina mbola ampiasaina hatramin’izao fotoana izao.

Vonjy    



Source link

69 taona ny fahaleovantenan’i India : ho avy any Antsiranana ny sambo indianina (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.