Miala sasatra ny ekipam-pirenena malagasy anio, eo amin’ny fiadiana ny “Afrobasket women U18”, tanterahina any Le Caire, Egypta. Raha ny vokatra kosa aloha, tsy mbola nahita mangirana i Madagasikara satria faharesena indroa misesy no azony tamin’ireo lalao roa natrehiny. Taorian’ny faharesena nanoloana an’i Angola, teo amin’ny andro voalohany, mbola lavon’ny Faraona-n’i Egypta indray ny alahady lasa teo, nandritra ny andro faharoa amin’ny fifanintsanana tao anatin’ny vondrona “A”. Nomontsanin’i Egypta, tamin’ny isa mazava 78 noho 49. Madagasikara aloha izany hatreto no mitana ny laharana farany, amin’ity sokajy misy azy, ity.

Rahampitso alarobia ny fihaonana farany ho an’i Madagasikara, hikatrohany amin’i Alzeria. Hamaritra ny filaharan’ireo ekipa efatra ao anatin’ny vondrona io. Marihina fa samy tafita hiatrika ny lalao ampahefa-dalana avokoa ireo ekipa efatra ireo, amin’ity “Afrobasket women U18” ity.

 Tompondaka

 



Source link

Afrobasket women U18 : mbola gisitra ny ekipa malagasy (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.