Nandriaka ny rà tao anaty fiara raha iny nandeha mafy iny ireto fiara telo  niala ny tananan’i Moramanga,  teo anelanelan’i Morarano  sy Amboasary gare, lalana mampitohy an’i Moramanga sy Ambatondrazaka . Mitifitra amin’ny filesy ampiarahany amin’ny bala vy ireo jiolay ,ary ny mpamily no kendreny ka rehefa voa io dia tsy maintsy mijanona ilay fiaraka. Manao izay tiany ireo jiolahy rehefa avy eo. Fiara telo niaraka no nandalo ka notifirin’ireto jiolahy ka ilay  mpamily mpanampy no voa teo amin’ny takolany ka nandriaka ny rà . Samy taitra avokoa ny rehetra ka samy  niezaka ny  nandositra nandeha mafy.  Fiara telo izy ireto no tafiaraka ka  fiara vaventy mpitondra entana ny roa ,ary takisiborosy kosa ny iray. Samy voatifitra avokoa ireo fiara telo fa ny tao anatin’ ilay fiara vaventy no voa teo amin’ny takolaka ka naratra mafy ary nandriaka ny rà. Ireo fiara roa kosa dia potika ny fitaratra .Tsy matoky mandeha irery amin’ny lalana RN 44 intsony ireo mpitatitra satria indroa isan-kerinandro izay toa misy manafika hatrany ireo fiara.  Miandry ny fandraisana andraikitra ataon’ny fanjakana izy ireo.

Janus R

The post Alaotra Mangoro : Fiara 3 no nisy nanafika tamin’ny rn 44, olona iray naratra mafy appeared first on Midi Madagasikara.


Source link

Alaotra Mangoro : Fiara 3 no nisy nanafika tamin’ny rn 44, olona iray naratra mafy (Midi-Madagascar)

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.