Lehilahy iray, 28 taona no nosamborin’ny andrimasom-pokonolona teny Morarano Alarobia ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo tokony ho tamin’ny 3 ora maraina. Nifanehatra tamin’ireo olona ireo ity lehilahy ary nampiahiahy ny fihetsiny. Rehefa nosavaina izy dia nahitana entana maro teny aminy, izay voalaza fa mitotaly hatrany amin’ny 500 000 ariary. Rehefa izany dia naterina tany amin’ny biraon’ny pôlisy Analamhitsy ity mpangalatra ity. Nandeha ny fanadihadiana ka tamin’izany no nahafantaran’ny mpanao famotorana fa avy namaky trano ka talohan’izao nahatratrarana azy izao dia efa nisy zavatra marobe azony, toy ny bisikileta, kodiarana Scooter sy fitaovan-dakozia. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa mpamerin-keloka ity mpangalatra tratra ity. Efa nigadra tany Moramanga izy ny taona 2011 tamin’ny resaka vaky trano ihany. Omaly no natolotra ny mpitsara mpanao famotorana ny anao lahy.

Nangonin’i r.s.

The post Alarobia : Mpamaky trano iray voasambotra appeared first on Midi Madagasikara.


Source link

Alarobia : Mpamaky trano iray voasambotra (Midi-Madagascar)

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.