Hanokatra indray ny sahan’ny voninkazo « orchidée » ny Madagascar National Park (MNP) any Andasibe Mantadia. Manana tetikasa manokana hikajiana sy hiarovana ary hampitomboana isa ity karazam-bonikazo ity ny tetikasa ity, ao amin’ny toby any Ampangadiatrandraka Moramanga.

Noho izany, nanolotra voninkazo “orchidée” miisa 105, ahitana karazany 17 ny MNP ny tetikasa Ambatovy. Nafindran’ny ekipan’ny sampandraharahan’ny Tontolo iainana tany amin’ny valanjavaboahary Andasibe ireo voninkazo ireo, ny 11 aogositra teo.

Tafiditra ao anatin’ny fandraisan’anjaran’Ambatovy amin’ny hetsika manokana “Festival Indri Indri”, natao tany Andasibe ny 26-28 aogositra teo ihany koa ity fanomezana ity.

Ankoatra ireo, naherin’ny 11.000 ny mpitsidika ny varavarana misokatra mitety vohitra nataon’Ambatovy tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Nanomboka tany amin’ny biraon’ny kaominina Andasibe izany ny volana mey 2016 teo, tany Morarano, ny jona 2016, ary tao Ambatondrazaka, nandritra ny “Tsenabe Zama Zina”.

Njaka A.



Source link

Ambatovy : nomena voninkazo « orchidée » 105 Andasibe (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.