Kirihitra feno rantsan-kazo bebe velarana ihany no nirehitra omaly, tokony ho tany amin’ny 2 ora tolakandro tany, teny  Amboara Ambohitrarahaba, tsy lavitra ny toerana antsoina hoe Analamahitsy “carrière”. Akory ny hagagan’ny olona nanatrika ny famonoana afo nataon’ny mpamonjy voina, fa nahitana lakosy lehibe iray tao anaty kirihitra tao. Samy nihoraka ny rehetra ary samy nanana ny heviny avy eo. Efa nahafantatra ny fandehan-javatra koa ny mpitandro filaminana ka tonga teny an-toerana. Rehefa nojerena akaiky moa ary rehefa nanontanina ny mponina manodidina, dia tsy nisy nahalala izay niandohan’ny afo. Anaty tamboho no nisy ilay toerana, be mpandalo ilay izy satria misy mpiasa maro mihazo ilay lalana akaiky eo rehefa maraina. Ireo rehetra ireo anefa samy tsy nisy nahamarika zavatra hafahafa, ilay toerana rahateo matevina ny kirihitra. Rehefa vita moa ny famonoana ny afo dia nentina any amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana ilay lakolosy. Efa misokatra ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao hahafantarana ny marina momba io zavatra niseho, omaly io.

r.s.

The post Amboara Ambohitrarahaba : Lakolosy lehibe iray hita tao anaty kiritra nirehitra appeared first on Midi Madagasikara.


Source link

Amboara Ambohitrarahaba : Lakolosy lehibe iray hita tao anaty kiritra nirehitra (Midi-Madagascar)

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.