Mody mandondona, misandoka, kanjo olon-dratsy ary mandrahona sy mandroba avy hatrany. Mpianaka kely tratran’izany teny Ambohidratrimo…

Jiolahy telo nandondona tao amin’ny tranon’olona iray teny Ambohidratrimo, omaly vao maraim-be, tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany maraina. Noheverin’ity farany fa ny vadiny ka novahany ny varavarana. Niditra avy hatrany ireto jiolahy ka nanambana antsy azy mba hanome vola, ka nanome vola roa alina ariary  izy fa tsy nanaiky ireto jiolahy ka ny zanany indray no nambanany antsy, toy ny natao takalon’aina. Natahotra noho izany ity renim-pianakaviana ka nanome ny vola 340.000 Ar. Vao azony anefa ny vola, lasa nitsoaka ireto jiolahy ka mbola tsy hita hatramin’izao. Tonga teny an-toerana ny zandary nanao ny fanadihadiana, ary mandeha ny fikarohana ireo jiolahy.

Tsy ny any Ambohidratrimo ihany no mirongatra ny asan-jiolahy tahaka izao, fa amin’ny faritra maro ihany koa. Na ny eto an-dRenivohitra aza, maro ny asa ratsy mitovy an’ity niseho tany an-toerana ity. Anisan’izany ny teny Avaradoha, vao ny herinandro teo, milaza fa nirahin’ny tompon-trano hanamboatra ny simba, hono, ireo olon-dratsy ka nilaza fa mila mijery ny ao an-trano rehetra. Soa ihany fa fetsy ny mpanampy ka nampilaza haingana ny tompon-trano izay monina ao ambony rihany ihany, ka nitsoaka ireo jiolahy. Fanaon’ny sasany ihany koa ny milaza fa mpiasan’ny Jirama, sns. Tokony ho samy mailo ny rehetra manoloana ireny karazan’olona miseho ho mahalala sy iraka miditra an-trano ireny. Ny krizy mamely, ka mitady hevi-dratsy foana ny jiolahy hanafihana.

Yves S.



Source link

Ambohidratrimo : jiolahy telo lahy nandroba mpianaka kely (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.