Io indray! Nangalarin’ny jiolahy koa ny lakolosin’ny fiangonana FJKM ao Andratehana, fokontany Soamanjaka, kaominina ambanivohitr’Ampangambe Ambohidratrimo, afakomaly alina. Araka ny loharanom-baovao voaray, tonga nampandre tany amin’ny zandary ny mpitandrina ao amin’ny fiangonana noho ny fahaverezana lakolosy. Izy no nahatsikaritra ny fahaverezana satria tsy teo amin’ny toerana intsony ilay lakolosy tamin’io fotoana io. Nampiasa tohatra ireo jiolahy nianihany ny tilikambom-piangonana izay mirefy eo amin’ny 8 metatra ny haavony. Tonga teny am-piangonana avy hatrany ny zandary niaraka tamin’ny alika mpitsongodia. Nanao ny fanadihadiana rehetra ny zandary ka nijanona teo amin’ny trano iray tsy lavitra ny fiangonana ny alika. Lehilahy iray no tratra tao an-toerana ka notazonin’ny zandary hanaovana famotorana. Ny poste avancé ao Ampangabe no misahana ity raharaha halatra lakolosy ity.

Tsiahivina fa tamin’ny alalan’ny alika mpitsongodia ny nahatrarana ireo jiolahy voarohirohy ho namaky trano lehibe iray eny Andoharanofotsy, andro  vitsivitsy lasa izay. Vao mainka mihamirongotra hatrany tato ho ato ny halatra lakolosy na eo aza ireo efa naiditra am-ponja.

J.C

 



Source link

Ambohidratrimo : lasan’ny jiolahy ny lakolosin’ny FJKM (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.