Nihorohoro indray ny fokontanin’Andohaniato sy Ampahateza rehefa nolalovan’ny jiolahy mitam-basy. Manodidina ny misasakalina, ny alahady hifoha alatsinainy teo, no tonga tao amin’ny trano voalohany ireo olon-dratsy. “Miisa valo izy ireo raha araka ny hitan’ny maso ary mitondra basy poleta (PA) ny iray. Ny ambiny kosa dia mitondra ireny ‘matraque électrique’ ireny” raha araka ny fanazavana azo teny an-toerana. Norahonan’izy ireo tamin’ny fitaovam-piadiana ny mpiambina ary nalaina avokoa ny finday miisa efatra teny amin’izy ireo, rehefa avy nihanika ny tamboho ka tafiditra tao an-tokotany ireo mpanafika. Rehefa tafiditra tao an-trano indray dia noraofina avokoa hatramin’ny peratra volamenan’ny tompon-trano. Manginy fotsiny ny kojakojan-tokantrano isan-karazany. Nifindra tao amin’ny trano faharoa izay tao amin’ny fokontan’Ampahateza indray ireo olon-dratsy nony avy eo. Tao indray dia tafatsoaka ny tompon-trano rehefa nahita ny niavian’izy ireo. Mainka koa nanamora ny fibatàn’ireo mpanao fanafihana mitam-piadiana izay entana nilainy izany. Nisy vola roa tapitrisa ariary izay nalain’ireo olon-dratsy tao amin’ity tokantrano ity. Tsy nionona tamin’ireo tokantrano ireo ireto jiolahy izay raha araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana dia ahiana ho ny “bande des huit” indray, ary nitohy tao amin’ny tokantrano iray farany. Nitovy hatrany ny fitrangan’ny raharaha : nosaotina ny tamboho ary nambanana basy ny tompon-trano. Rehefa vita izay dia alaina ny vola sy ny kojakojan-tokantrano maro. Nitaraina ireo olona noho ny nafitsok’ireo olon-dratsy, indrindra koa lasa miverimberina ny fanafihana. Vao roa herinandro lasa mantsy izay no nandalovan’ny olona valo mitam-basy Ambohipo sy ny manodidina azy ary mitovy tanteraka amin’izao ny fitrangan’ny fanafihana. Mila hamafisina ny fisafoana ary ametrahana mpitandro ny filaminana isan’alina eny an-toerana mba hiarovana ny ain’ny mpiara-monina izay matahotra noho ny fiverimberenan’ity “bande des huit” ity.

D.R

The post Ambohipo : Tokantrano telo notetezin’ny jiolahy mitam-basy appeared first on Midi Madagasikara.


Source link

Ambohipo : Tokantrano telo notetezin’ny jiolahy mitam-basy (Midi-Madagascar)

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.