Saika zava-doza mahatsiravina no nitranga omaly tolakandro, tetsy Andoharanofotsy. Trano biriky mitafo bozaka  telo no nirehitra ka saika nahatratra ireo trano fonenana manodidina. Omaly hariva manodidina ny tamin’ny roa ora latsaka folo minitra, no nitrangan’izany, tetsy amin’ny fokontanin’i Morarano Andoharanofotsy, manakaiky ny Astro. Tsy fantatra mazava izay tena fototry ny afo, fa ny lelanafo efa nijoajoala nananika ny tafo bozaka tamin’ireo trano biriky telo nifanila ireo no nanaitra avy hatrany ny manodidina. Tonga ara-potoana ihany ny teo anivon’ny sampana mpamono afo, saingy nanano sarotra ihany ny famonoana izany. Naharitra ora maro mihitsy vao voafehy ny afo. Ireo entana rehetra tao amin’ireo trano fonenana manodidina dia efa navoaka mialoha avokoa, nahafahana misoroka ny loza. Ny roa tamin’ireo trano biriky telo ireo no tena may kila firehitra, fa ny iray kosa dia may tamin’ny ampahany ihany. Saika nahazo ny tranon-kisoa teo akaiky teo ihany koa ny afo, saingy voasoroka ihany izany. Nisy tamin’ireo izay nanatri-maso ny loza no nilaza fa nisy olona nandoro taratasy tao amin’ny trano fivoahana iray ka nahatratra ny tafo bozaka izany ary nampirehitra ireo trano telo ireo. Raha ny fahafantarana azy anefa, dia tsy nisy trano fivoahana teo amin’ny manodidina teo. Marihina fa tsy nisy ny naratra, na may na aina nafoy tamin’ity hain-trano ity.

Niony H.

The post Andoharanofotsy : Trano biriky telo, may kila firehitra appeared first on Midi Madagasikara.


Source link

Andoharanofotsy : Trano biriky telo, may kila firehitra (Midi-Madagascar)

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.