Nampiaka-peo. « Efa nampiakatra ny raharaha any amin’ny filankevi-panjakana izahay ka tokony hihantona aloha ny didy ny handravana trano… Nampafantarinay ny minisitera koa izany fangatahana fampiatoana izany ka tsy tokony hitohy aloha izany » , hoy ny mpisolovava, ny Me Razafimahefa Sylvestre, omaly teny Andohatapenaka eo amin’ny « cité abattoir ». Notsiahiviny fa nanao be fiavy ireo nandrava trano miisa telo, 30 minitra taorian’ny nahazoan’izy ireo ny taratasy ny alakamisy teo.  « Tsy mba misy fiomanana ho anay akory…. Mazava anefa fa efa napetraka ara-dalàna tanteraka teto nanomboka ny 1990 izahay. Mbola nohamafisin’ny minisitry ny fiompiana,  Maharante, izany ny taona 2010 ahafahanay monina eto tanteraka », hoy ihany izy. Nohitsin’izy ireo koa fa tsy mitombina ny amin’ny hoe fanorenana tsy ara-dalàna ny natao. « Naorin’ny fanjakana ireto tanàna ireto ka tsy marina velively izany », hoy ihany izy ireo. Nahatonga azy ireo nampiakatra ny raharaha hampiato ny fandravana ny feo miely fa horavana ireo trano hafa anio. Fianakaviana fito, ahitana olona maherin’ny 50 ireto manahy mafy ireto ary izao tsy nipetra-potsiny izao.

Synèse R. 



Source link

Andohatapenaka : tsy eken’ny mponina ny fandravana (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.