Toy ny mahazatra. Niatrana tsy lavitra ny tranobe sy ny tokontanin’ny Coroi, Andrefan’Ambohijanahary, nanaovan’ny Mitsangana ry Malagasy hetsika ny avy amin’ny Emmo/Reg ny asabotsy teo. Nahitana azy ireo koa anefa ireo faritra hafa.

 

Nihaodihaody nandalo na koa nijanona tanteraka tsy lavitry ny vavahady, nanaovan’ny Mitsangana ry Malagasy hetsika ny Emmo/Reg. Teo ireo tao anaty kamiao fa eo koa ireo anaty fiara 4×4. Tsy niala teo izy ireo raha tsy efa nirava ireo mpanao fihetsiketsehana ny tolakandro. Nahitana azy ireo koa ny teny Analakely sy ny manodidina. Niantsona amin’ny kamiao na koa amin’ny fiara 4×4 izy ireo ary niandriandry ny mety hiseho. Niely rahateo ny feo fa hiverina ho eny amin’ny kianjan’ny 13 mey ny Antso ho an’ny fanavotam-pirenena (AFP) ny faran’ny herinandro teo. Teny Andrefan’Ambohijanahary namaly ny fanasan’ny Mitsangana ry Malagasy anefa izy ireo tamin’io asabotsy io.

Ankoatra izany, nikasa ny hanao hetsika amin’ny alalan’ny diabe am-pilaminana sy am-pahanginana eo Analakely ireo teratany frantsay, noho ilay vonoan’olona niseho tany Sainte-Marie saingy tsy tanteraka izany. Tsy nahitana azy ireo koa teny amin’ny masoivoho na ny konsilin’i Frantsa Ambatomena. Antony tsy naharaikitra ny hetsika raha ny tsilian-tsofina ny tsy fahazoan’izy ireo  alalana avy amin’ny tompon’andraikitra.

Fanahiana amin’ny toe-draharaham-pirenena

Voatery nahemotra ho amin’ny fotoana manaraka koa ny hetsika ara-kolontsaina, tokony ho natao tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna. Fiahiahiana ny mety hiseho noho ny hafanana politika sy ny raharaham-pirenena no voalaza fa anton’ireo rehetra ireo.
Na izany aza anefa, tontosa mandra-paharivan’ny andro ary nilamina ny hetsika tetsy anoloan’ny kianjaben’i Mahamasina, nafanain’ny mpanakanto maro. Nanentana ny vahoaka hampiasa ny solomaso hijerena eklipsa ny alakamisy izao izany fampisehoana izany ary nokarakarain’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamana. Nisafo teny an-toerana amin’ny alalan’ny fiara 4×4 ihany anefa ireo mpitandro filaminana.

Amin’ny ankapobeny, nizotra toy ny andavanandro ny fiainan’ny mponina. Nivarotra avokoa ny mpivarotra ary nifamezivezy avokoa ny fiarakodia. Nilamina ny tanàna saingy ny hetsika politika no tsy afa-bela fa alokalofan’ny Emmo/Reg hatrany na anaty fefy aza.

Synèse R.



Source link

Andrefan’Ambohijanahary : notomerin’ny Emmo/Reg ny hetsiky ny Mitsangana ry Malagasy (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.