Basy Kalachnikov iray miaraka amin’ny bala miisa 15, basim-borona iray sy basy lava vita gasy iray ary fanamiana miaramila miaraka amin’ny moara no azon’ny zandary nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo tao Maromandia, kaominina Antakavana, tokony ho 120 km miala ny distrikan’Ankazobe. Araka ny fanazavana voaray, nandritra ny hetsika  fampandriana fahalemana nataon’ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandariamariam-pirenena ao Ankazobe no nahazoana izao  vokatra izao. ny 11 aogositra 2016 maraina no nifanehatra ny zandary manao fisafoana sy ny dahalo miisa 20 teo ho eo tao amin’io toerana voalaza etsy ambony io. Raikitra ny fifampitifirana ka lavo tamin’izany ny dahalo iray niaraka tamin’ny basy Mas 36 sy bala iray. Lasa nandositra kosa ireo namany. Nanao fisavana ny tanàna avy hatrany ny zandary ka tamin’izany no  nahitana ireto fitaovam-piadiana mahery vaika navelan’ny malaso ireto. Mitohy ny fanenjehan’ny zandary ireo dahalo tafaporitsaka.

Jean Claude



Source link

Ankazobe : dahalo iray lavon’ny zandary, basy maromaro tratra (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.