Lasan’ny dahalo ny vola 160 tapitrisa Ar sy ny entan’ireo mpandeha nandritra ny fanafihana taksiborosy iray tao amin’ny fokontany Andoharano, kaominina ambanivohitr’ Ankazobe, afakomaly misasakalina. Fiara taksiborosy Sprinter iray avy any Mahajanga hihazo an’Antananarivo ity niharan’ny fanafihan-dahalo nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ireto. Araka ny fanazavan’ireo niharam-boina tamin’ny alalan’ny tatitra voaray, nobahanan’izy ireo vatobe ny lalana. Voalaza fa niezaka handika ireo sakana ihany ny mpamily, saingy vaky ny kodiaran’ny fiara ka tsy afa-nihetsika intsony. Nitsoaka tany Ankazobe ireo mpandeha sy ny mpamily noho ny tahotra. Tsy nisy kosa ny maty na naratra nandritra ity fanafihan-dahalo ity. Tonga nanao fisafoana teny an-toerana ny zandary avy ao Ankazobe.

J.C

 

 



Source link

Ankazobe : taksiborosy notafihin’ny jiolahy (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.