Nizara sakafo masaka sy goûter (voankazo, yaourt, biskoy…) ho an’ny ankizy mpatory an-dalana sy sahirana ny collectif Zaza faly sy ny fikambanana Rotary Ivandry, omaly teny Ivandry. Hetsika efa fanaon’ny collectif izay natsangan’i Lanika Jamal Kadaya ny fanomezana  sakafo ny zaza sahirana isaky ny zoma eny Ankorondrano ka nanampy azy ny filohan’ny Rotary Ivandry, Skourtelis Dimitris, satria manana tetikasa resto du coeur koa izy. Mitovy ny tanjona, samy fizarana sakafo ho an’ny mahantra ka navondrona ny hery ahafahana mahatratra ankizy betsaka kokoa. Niainga tamin’ny ankizy 150 eo amin’ny fokontany Ankorondrano ny collectif, nitombo isan-kerinandro ny isan’ny zaza tonga misakafo ary 2 000 amin’izao fotoana izao. Hatrany Tanjombato, Analamahitsy, Soavimasoandro ny fiavian’ny ankizy sasany rehefa naheno fa misy fizarana sakafo masaka. Ankoatra ny sakafo, maniry ny hampianatra ny fahalalam-pomba, fahadiovana, ny fahatahorana an’Andriamanitra ny mpikambana enina ao amin’ny collectif ho an’ireo zaza malagasy ireo. Tanjona ny hizara sakafo isan’andro nefa sarotra ihany raha tsy mihamaro ny mpanohana amin’ny sakafo sy ny fikarakarana rehetra. Manentana ny Malagasy sy vahiny maniry ny hanampy ny sahirana izy ireo hifanome tanana aminy.

Ankoatra ny fiarahana mamahana sakafo ny ankizy, mitondra vitamine sy fanafody ho an’ny ankizy koa ny Rotary Ivandry. Mbola hitohy ny fiaraha-miasan’ny roa tonta.

????????????????????????????????????

Vonjy A.



Source link

Ankorondrano : ankizy 2 000 nizarana sakafo sy goûter (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.