Efa fakana bahana avy amin’ireo mpiara-miombona antoka. Hanomboka ny alatsinainy izao eny Ankorondrano, ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo hery samihafa eto amintsika, ho fiatrehana ny fifidianana hatao ny taona 2018. Anisan’ny handray anjara amin’izany ireo antoko politika, ny fiarahamonina sivily, ny haino aman-jery, ny mpitondra fivavahana sy ny mpitarika ara-drazana, hatramin’ny miaramila. « Tafiditra amin’ny sori-dalana, nosoniavina ny taona 2011, amin’ny tokony hametrahana fitoniana sy filaminana izany. Fa eo koa ny hametrahana demokrasia sy fifidianana azo antoka ary mangarahara, tsy hanilihana ny hafa… », hoy ny fanambarana avy amin’ny Pnud, voaray omaly .  Fandaharanasa hotanterahina hatramin’ny faran’ny taona ity hampahafantarina amin’ny herinandro ity ary hanomboka ny alatsinainy sy talata izao ny andiany voalohany. Maherin’ny 60 ireo antoko politika voaasa sy hanana solontena hiatrika izany.

Hampianarina ny demokrasia ny mpanao politika

Teboka maromaro no hifanakalozana amin’ireo mpanao politika. Anisan’izany ohatra ny andraikitra sy ny iraka ampanaovina ny antoko politika, ny maha-zava-dehibe ny demokrasia anatiny eo anivon’ny antoko. Eo koa ny andraikitry ny mpanohitra izany atrikasa, andiany voaloha ny izany.  Tanjona ny hipetrahan’ny fifampitokisana eo amin’ny hery politika samihafa amin’izao dingana hirosoan’i Madagasikara izao, indrindra fa ny hiatrehana ny fifidianana. Miara-miasa amin’ity fandanaharanasa ity ny fitondrana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Atitany sy ny Pnud ary koa ny avy amin’ny Vondrona Afrikanina.

Synèse R.

 



Source link

Ankorondrano : hanomana fifidianana demokratika ny Pnud (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.