Hivoaka, ny zoma ho avy izao eny amin’ny foibem-panadinana, ny lisitr’ireo mpiadina afaka tamin’ny fanadinam-panjakana bakalorea 2016, araka ny fanazavan’ny talen’ny ofisin’ny bakalorea eto Antananarivo, Rakotoarison Olivier, omaly. Hotontosaina ny alakamisy amin’ny 9 ora maraina ny délibération ataon’ny tomponandraikitra samihafa. Amin’izao fotoana izao, mitohy ny fanamarinana farany ny zava-drehetra isorohana ny fahadisoana tsy nahy.

Eto Antananarivo, 73 205 ny isan’ny mpiadina ka 68 354 ho an’ny fampianarana ankapobeny raha 4 851 ho an’ny fampianarana teknika. 1 655 ny olona nisahana ny fitsarana. Anisan’ny olana nitranga, nandritra ny fanatontosana ny fanadinana teto Antananarivo, ny tsy fahatomombanana tamin’ny andro voaloany momba ny taranja LV2 alema tsy nahitana ny ampahan-dahatsoratra tokony nohadihadian’ny mpiadina. Teo koa ny tsy fahampiana amin’ny mpanara-maso ny fizotry ny fanadinana teny amin’ny foibe sasany. Enina herinandro aty aorian’ny fanadinana, miandry fatratra ny vokatra ny mpiadina satria efa mikatona ny fifaninanana hidirana amin’ny taona voalohany ho an’ny sekoly ambony sasany.

Vonjy



Source link

Antananarivo : hivoaka amin’ny zoma ny valin’ny bakalorea (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.