Tovolahy 25 taona mpitondra Bajaj no hita faty tao anaty kirihitr’ala ao Antanandava, afakomaly. Nanomboka ny asabotsy teo izy no tsy hita popoka raha nitondra mpandeha nampiasa azy manokana. Araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ity tovolahy ity satria potika tanteraka ny lohany sy ny tarehiny. Tsy vitan’izay fa mbola notsindronina vy maranitra avy ao amin’ny lamosina mivoaka hatrany amin’ny tratrany. Mbola nahitana dian’antsy koa teo amin’ny tendany. Nampihoron-koditra, araka izany, ny nahita ny razana. Fantatra fa fanindroany tamin’ny mpitondra Bajaj ity novonoin’ny jiolahy ity. Manoloana izany, naneho firaisainkina ireo mpamily bajaj rehetra ka tsy niasa nandritra ny tapak’andro maraina, ny talata teo noho izao voina nihatra amin’ny naman’izy ireo izao. Tsy mbola fantatra kosa izay tompon’antoka tamin’ity vonoan’olona mahatsiravina ity.

Azo lazaina fa tsy milamina intsony ny fandriampahalemana ao Toamasina manoloana izao vonoan’olona miharo fanafihana saika isan’andro izao. Misy ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana, saingy mihamivoatra hatrany ny asan-jiolahy.

Sajo sy J.C



Source link

Antanandava Toamasina : hita tao anaty kirihitr’ala ny fatin’ilay mpitondra bajaj (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.