Anisan’ireo mitaky ny hifampidinihan’ny rehetra koa ny Arema ary karazan’ny nampitandrina mihitsy aza. « Ho sahirana raha tsy mihaino ny mpitondra… Ilaina ny fifampiresahana ary efa ela izahay no niteny izany. Mbola nohamafisin’ny antson’ny amiraly Ratsiraka izany tany Toamasina ny amin’ny tokony hifampidinihana », hoy ny sekretera nasionaly, Andrianarisoa Ange, omaly tetsy 67 ha. Nohitsiny anefa fa tsy mankasitraka ny fanonganam-panjakana na fidinana an-dalambe izy ireo. « Fifampiresahana hatrany no hany vahaolana. Tsy handroso isika raha tsy iresaka ka aoka hifanome tanana satria iaraha-manana izy ity ary marary ny firenena… », hoy ihany izy ireo. Notsiahiviny ho anisan’ny tokony hifampidinihana ny fanohizana ny fampihavanana, tsy vita hatramin’ny farany ka nahatonga azy ireo hiantso fifampiresahana.

Momba ny lalàn’ny fifandraisana nankatoavin’ny HCC kosa indray, nanteriny fa tokony hifampidinihana hatrany izany.

Tsiahivina fa nanao hetsika fanangonam-bola ny Arema tamin’io fotoana io, handehanana any Mahajanga ny volana septambra izao, hanamarihana ny faha-40 taon’ny antoko. Hanao zaikabe koa ny vehivavy Arema amin’izany.

Synèse R.



Source link

Antoko Arema : ho sahirana ny mpitondra raha tsy mihaino… (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.