Tsy nitsitsy fitenenana. « Tsy hita ny fitsarana amin’ny fihanaky ny kolikoly. Aiza  ny Bianco sy ny Samifin… Tokony horavana ireo rehefa tsy mahavita ny asany. Sarimihetsika fotsiny ny atao », hoy ny filohan’ny antoko liberaly demokraty (PLD), Rabeharisoa Sahara, omaly. Nohitsiny fa resaka fotsiny ny demokarsia, tsy mipetraka ny tena fitsinjaram-pahefana. Tsy vitan’izany fa mifangaro, voraka ny raharaha. « Eto amintsika ny mpanatanteraka sady mpitsara no mpanao lalana. Mpilalao mpandray anjara sady mpitsara ny fifidianana… Tahaka izany hatrany ny eto », hoy ihany izy.

Nanteriny koa anefa fa tsy miray saina ny antoko lehibe manoloana ny raharaham-pirenena. Ankoatra izany, tsy voatery hovahana amin’ny herisetra koa ny olana, araka ny nambarany. Momba ny fikasan’ny sasany hiroso amin’ny fifampiresahana sy fihaonambem-pirenena na dinika, tsy marisika amin’izany ny PLD. « Sarotra ny hahatongavana amin’izany ary tsy tonga amin’izany matetika ny raharaha raha tsy efa misy ny fifandonana. Kely finoana izahay amin’io ary raha hifampiresaka ihany, mbola  hisy ny fitaka be vava satria tsy ilay olona tena hitondra vahaolana no ho eo fa mbola izy mianakavy ihany. Karazan’ny tako-kenatra eo imason’ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa hoe miresaka ny Malagasy », hoy ihany izy.

Synèse R.



Source link

Antoko PLD : « Ny resaka sy sarimihetsika no betsaka…. » (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.