Nafanan’ny hehy sy ny hatsikana Antsahamanitra. Niaka-tsehatra ny andrarezina amin’ny fampihomehezana. Nanamarika ny faha-26 taona naha « Turbo » azy i Francis !

« Turbo » azo adika ho fananana tanjaka, raha ho an’ny fiarakodia. Voaporofo, omaly, tetsy Antsahamanitra ihany koa ny maha « Turbo » an’i Francis. Saika voafintiny nandritra ity fampisehoana an-tsehatra ity ny 26 taona nitondrany io anarana io. Voaporofony ilay fananana traikefa matanjaka eo amin’ny tontolon’ny fampihomehezana. Na tamin’ny alalan’ny fanaovana hatsikana, na amin’ny maha mpanentana azy, samy nitondrany zava-baovao avokoa.

Nanamafy ny maha Turbo an’i Francis koa ny fahitana ny sokajin-taona rehetra tonga teny Antsahamanitra. Samy nitsiky, nihomehy, nikakakaka, izy ireny. Hain’ity mpanakanto andrarezin’ny hatsikana ity rahateo ny nandrindra ny fampisehoana hany ka samy nahazo ny tandrify azy ny rehetra.

HaRy Razafindrakoto



Source link

Antsahamanitra : voaporofo ny maha « Turbo » an’i Francis (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.