Niady ny fihaonana. Tsy namelan’ny Fandrefiala (Analamanga), teo amin’ny zazavavy, sy ny Cosfa (Analamanga), teo amin’ny zazalahy, raha tsy izy ireo no tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny basikety, sokajy U14 zazavavy sy zazalahy. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny Complexe sportif Mahajanga, mantsy ireo lalao famaranana.

Teo amin’ny zazavavy, nandavo ny MB2All (Analamanga) tamin’ny isa, 39 noho 32, ny Fandrefiala. Niady ny fihaonan’ny roa tonta tamin’izany ary nifanenjika hatrany ny isa.

Teo amin’ny zazalahy, narodan’ny Cosfa tamin’ny isa mazava, 67 noho 60, ny Asa (Analamanga). Niady ihany koa ny famaranana teo amin’iny sokajy zazalahy iny satria samy nampiseho ny fahaiza-manaony, na ny andaniny na ny ankilany.

Teo amin’ny sokajy “veterans” indray, izay niara-dalana tamin’iny U14 zazavavy sy zazalahy iny, voahosotra ho tompondaka teo amin’ny lehilahy sy vehivavy ny SBBC Boeny.

M.N.



Source link

Basikety – Mada U14 F/G 2016 : tompondaka ny Fandrefiala sy ny Cosfa (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.