????????????????????????????????????

Io maraina io, nanainga ny Barea de Madagascar, handeha hiatrika ny lalao mandroso amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2016), amin’ny taranja beach soccer. 12 mirahalahy ireo mandrafitra ny ekipam-pirenena, hiatrika izany. Tsy nisy fiovana firy fa saika ireo mpilalao efa zatra fihaonana iraisam-pirenenasy efa niatrika ny «Can 2015» sy ny Mondial, tany Portugal, farany teo no mandrafitra ny Barea de Madagascar. Na izany aza, misy ihany ireo mpilalao vaovao, nantsoin’ny mpanazatra. Anisan’ny nitsongana ireo mpilalao ireo ny fifaninanana natao tany Ste Marie, farany teo. Tsiahivina fa ny alahady 28 aogositra ho avy izao ny hanaovana ny lalao mandroso ao amin’ny torapasik’i Maputo.

 Tompondaka

 Ireo mpilalaon’ny Barea :

Mpiandry tsatoby : Rafalimanana Jhorialy (Boeny) ; Andriamifehy Chrétien (Anosy)

Vodilaharana : Giovanni Oscar (Menabe) ; Razafimandimby Imelda (Atsinanana) ; Tovonay Pierralit (Menabe)

Irakiraka : Randrinambinina Ruffin (Anosy) ; Randriamampanry Tokindrainy (Anosy) ; Rabeasimbola Tianasoa (Menabe) ; Marcel Richard (Atsimo Andrefana)

Lohalaharana : Razafimahatratra Flavien (Atsinanana) ; Razafinilaina Angeluc (Boeny) ; Régis Enidiel (Atsinanana).

Mpanazatra : Ramarolahy Solofo Ramarolahy ; Ben Bessi



Source link

Beach soccer – «Can 2016» : nanafika an’i Mozambika ny Barea (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.