Anisan’ny tanjon’ny Cam (Collectif des arts martiaux) ny hampikambana ka hisian’ny firahalahiana sy fifankatiavana ireo haiady rehetra misy eto Madagasikara. Io no fanambaran’ny Me Raharilala Gilbert filoha, sy ny Me Rakotomavo Herilova, filoha lefitra, tamin’ny mpanao gazety. Nomarihin’izy ireo fa “izay mitambatra vato ary izay misaraka fasika” ary “ny hery tsy mahaleo ny fanahy” fa “ny fanahy no maha olona”. Ireo rehetra ireo no atambatra ka aseho ho hitan’ny olon-drehetra fa filamatra ny mpanao haiady ary azo alain-tahaka amin’ny fiainana. Ankoatra izay, anisan’ny hiadian’ny Cam ny mba hijeren’ny mpitondra ny rehetra fa tsy hoe ny atleta nahazo anaram-boninahitra ihany. Anisan’ireny ny mpanazatra. Nomarihin’ny Me Lova fa raha tsy nisy ny fototra, tsy nisy ny sampana ary raha tsy nisy ny sampana, tsy nisy koa ny laingony. Ny mpitondra rehetra nifandimby teo, tsy nisy nijery izany ary izay no hanairana azy ireo ankehitriny. Ankoatra izay, hanangana fotodrafitrasa lehibe manerana ny faritany enina ny Cam. Marihina fa efa nahazo ny “certificat de conformité», ny volana jona lasa teo, ny Cam.

Hisy ny «Bushido 1», hetsika lehibe hatao ny 4 septambra izao, etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. Hisy fampisehoana sy fifaninanana «cash», hataon’ireo mpanao haiady rehetra. Anisan’ny mandray anjara amin’izany koa ny mpanao haiady nentin-drazana. Tsy misy ny vidim-pidirana fa hisy boaty handrotsahan’ireo rehetra ho avy izay foiny, hampandehanana ny fikambanana.

 Tompondaka

 



Source link

Cam : hampiray ny haiady rehetra (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.