Tononkalo 15 isaky ny mpanoratra dimy mirahalahy ! Niantsa fitiavana i Zara Aina, Lahatra, Idealy Fahafahana, Jaonary ary Faniry. Nanolotra ity antsa tononkalo tetsy amin’ny Cemdlac Analakely, omaly ity i Ny Eja. Tononkalom-pitiavana ihany koa no nentiny. Nafana ny fitiavana ny « Afom-poezia ». Mbola hira sy feon-kira maneho izay andrim-pitiavana izay ihany koa no nentin’ireo nanaraka ny tononkalo tamin’ny alalan’ny zavamaneno sy hira.

Nomarihin’i Ny Eja fa ankoatra ny zavakanto, mirotsaka amin’ny asa sosialy toy ny fanampiana ireo zaza tratry ny aretina drepanôsitôzy ihany koa izy. Anisan’izany ny fananganana efitra fianarana sy famakian’izy ireo boky.

HaRy Razafindrakoto



Source link

Cemdlac : nafana ny « Afom-poezia » (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.