Tsy mety fay mihitsy! Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny poste de police Ilanivato teny Anosipatrana, ny alahady sy afakomaly i Pato sy ny namany. Araka ny fanazavan’ny polisy, raindahiny amin’ny fanaovana sinto-mahery sy fanendahana ry zalahy ireto. Lehilahy iray hody no tratran’izy ireo teo amin’ny Trano dimy eo Ilanivato. Nitondra sabatra ry zalahy nandritra io fotoana io. Very tamin’izany ny vola sy ny fanalahidina môtô niampy finday avolenta tany amin’ilay niharam-boina. Lasa nitsoaka avy hatrany ireo olon-dratsy taorian’izay. Nametraka fitoriana ilay niharam-boina ka niainga avy amin’izany ny fanadihadian’ny polisy ka noraisim-potsiny ireto jiolahy ireto. Nilaza izy ireo nandritra ny fanadihadian’ny polisy fa amin’iny faritra Trano dimy sy Masera Anosipatrana iny no tena fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Nohamafisin’ny polisy kosa fa matetika migadra noho ny resaka vaky trano sy fanaovana sinto-mahery ny iray amin’ireto jiolahy ireto. Tokony hamafisina hatrany ny sazy omena ireny jiolahy mpamerin-keloka ireny.

J.C



Source link

Efa nigadra teny Antanimora… : saron’ny polisy teny Ilanivato i Pato sy ny namany (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.