May volon-tratra mihitsy ny manam-pahefana eto amin’ny tanàna amin’ny fanomezana baiko hanafainganana ny fanadihadiana momba ny famonoana ireo Frantsay roa tany Sainte Marie. Izao, miala any ny valisoa lehibe.
Mila hafainganina ny raharaha ! Tamin’ny alalan’ny valandresaka tamin’ny mpanao gazety niarahan’ny prefet-n’ i Ste Marie, lehiben’ny faritra Analanjirofo, Ramarson Jacques,  ary ny tonia mpampanoa lalana anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, Rajaonah Lauret Thierry no nilazan’ ireto olom-panjakana ireto fa mila hafainganina ny raharaha ka omena valisoa tsy ampoiziny izay manome loharanom-baovao ka hafahana mahita ny tena marina. « Tsy anatin’ny kolontsain-tsika malagasy ny mamono olona ary  mila hafainganina ny fanadihadiana sy fikarohana mba ivoahan’ny marina », hoy ny lehiben’ny faritra.

Hatreto aloha, raha ny loharanom-baovao hatrany, fantatra teo amin’ny fifandraisana tamin’ny alalan’ny telefaonina sy fanaovana soratra maro sosona (SMS) ny laharan-taribin’ ilay teratany
frantsay hafa sakaizan’ i Magalie teo aloha. Ity farany izay heverina ho anisan’ny atidoha namono nahafaty an’ i Romain sy Magalie noho ny fisarahana teo amin’ny roa tonta. Mbola petrakevitra ihany anefa izany fa mbola anatin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana.

Saika itodihan’ny mpanara-baovao maneran-tany ity raharaha famonoana an’ i Romain sy Magalie, teratany frantsay roa mpanao asa soa nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana tao amin’ny Nosy Ste Marie ny alin’ny asabotsy hifoha ny alahady 21 Aogositra lasa
teo . Vokany, nanao be midina any an-toerana  avokoa amin’ izao fotoana izao ireo ankolafin-kery rehetra momban’ny fitandroana ny filaminana, ankoatry ny polisy sy zandary ary tafika.

Ny firenena frantsay rahateo efa nanery an-kolaka ny fitondrana malagasy mba hanafaingana ny fanadihadiana ary hahita haingana ny tompon’antoka amin’izao vonoan’olona izao. Asa, hisy vokany ity fanambazana valisoa sy fanerena ataon’ny Frantsay ity.

Sajo sy Yves S.



Source link

Famonoana an’ i Romain sy Magalie tao Ste Marie : omena valisoa izay olona manome vaovao marim-pototra (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.