Telo volana aty aoriana, nisy vokany ny fanadihadiana lalina nataon’ireo pôlisy misahana ny heloka bevava, mahakasika ilay vono olona feno habibiana nitranga tetsy Alarobia. Fantatra ary fa olona efatra izay voarohirohy tamin’ny famonoana an’i Honorine, ilay vehivavy niasa teny Andralanitra no voasambotr’ireo mpitandro filaminana. Raha ny angom-baovao hatrany dia nambara fa olona akaiky an’ity ramatoa ity ireto olona nosamborina ireto. Hatreto anefa, hoy ny fanazavàna azo, dia mbola eo am-pikarohana fatratra ilay tena atidoha nikotrika ity famonoana olona ity izy ireo. Tsiahivina fa ny 22 mey lasa teo no hita faty teny Mahatony ity vehivavy 47 taona ity. Ny mpandalo no nahita azy tao anaty tatatra. Raha ny fizahana ny razana tamin’io fotoana io dia toa efa novonoina tany ho any izy ary natsipy tao anatin’io tatatra io nony avy eo. Ireo mponina rahateo, tsy naheno olona niantso vonjy na ra mitete teny amin’ny manodidina, kanefa dia tsindrona antsy 13 be izao no hita teny amin’ny vatany. Mpitantana teny amin’ny “centre Akamasoa” Andralanitra i Honorine fony fahavelony. Iray andro talohan’ny nahitana ny vatana mangatsiakany izy no hitan’ny mpiara-miasa aminy farany, raha an-dalana handeha hody. Tamin’izay no fantatra fa efa nisy telo lahy toa nanenjika azy, hatrany tamin’ny toeram-ponenany teny Mahatony. Inoana araka izany fa mety hisy fifandrasainy amin’ny famonoana azy ireo nanenjika azy ireo. Na mety ho izy ireo mihitsy no ireto isan’ny voasambotra ireto. Ny azo antoka aloha, araka izany, dia tsy ho ela dia ho fantatra tanteraka ny manodidina ity raharaha vono olona mahatsiravina sy ny antony nahatonga ireo olon-tsy vanona nahavita nandatsaka ain’olona tsy manan-tsiny toa izao.

m.L

The post Famonoana an’ilay mpiasan’ny Akamasoa : Olona efatra nosamborin’ny pôlisy appeared first on Midi Madagasikara.


Source link

Famonoana an’ilay mpiasan’ny Akamasoa : Olona efatra nosamborin’ny pôlisy (Midi-Madagascar)

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.