Raha ny vaovao farany, hatramin’ny ora nanoratanay, tsy mbola nisy taratasy fahazoan-dalana hanao filaharana ho an’ireo teratany frantsay mikasa hilahatra am-pilaminana eny Analakely mihazo ny ambasadin’izy ireo eo Ambatomena, anio. Ity hetsika ity izay kasain’ireo teratany vahiny anehoana ny alahelon’izy ireo sy fiaraha-miory amin’ny fianakavian’i Megalie sy Romain, ireo nisy namono tany Sainte Marie ny herinandro teo. Tsy fantatra, araka izany, raha hisy ihany ny hetsika, na hijanona eo anoloan’ny ambasady frantsay ireo teratany vahiny mikasa hanao izany. Raha ny vaovao voaray, mety hisy ny hanararaotra io hetsika io mantsy satria misy koa ny mikasa hanao hetsika fanoherana ny fitondrana anio ihany koa. Fantatra fa eny Andrefan’Ambohjanahary misy andiany hanao izany. Eo ihany koa ny mpivarotra amoron-dalana izay mihevitra hanao ny azy. Mifamahofaho eo ny raharaha, izay heverina fa hahamailo ny eo amin’ny fitondrana ka tsy amelany ny fanaovana hetsika an-kalalahana eto an-denivohitra. Ny Emmo/Reg no ho tazana hameno ny tanàna. Ankoatra izay, mbola ao anatin’ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana ny momba ity vonoan’olona ity amin’izao fotoana izao. Andrasana ny tohiny.

Yves S.



Source link

Famonoana vazaha – Sainte Marie : tsy nahazo alalana ireo mikasa hilahatra eto Antananarivo (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.