Raikitra ny diabe tany Sainte Marie omaly, nanehoan’ny mponina sy ireo teratany vahiny mipetraka sy mandalo any an-toerana, ny fiaraha-miory sy fiaraha-mientana manoloana ny famonoana ireo vazaha frantsay roa.

Niaraka tamin’ireo olona an-jatony maro ihany koa ny tompon’andraiki-panjakana toy ny ben’ny Tanàna, depiote sns tany Sainte Marie. Nihodidina ny tanàna, nilanja sora-baventy nisy soaratra fiaraha-miory ireo olona marobe. Nifarana tamin’ny toerana nahitana ny razana izany, ary nametraka sary sy voninkazo, ary nanao lahateny teo ny olobe rehetra. Araka ny fanazavana, hetsika entina anehoana manerana izao tontolo izao ity fa tsy mankasitraka velively ny famonoan’olona any Sainte Marie ny mponina. Samy miandrandra ny hahitana haingana izay namono an’i Megalie sy Romain ny rehetra. Eo ihany koa ny fitakian’ny mponina mba handry fahalemana ny tanànan’izy ireo satria mety handroaka mizahatany ny toe-javatra tahaka izao. Ny fizahantany izay anisan’ny antom-piveloman’ny mponina ao amin’ity Nosikely ity. Mitaky amin’ny mpitandro filaminana ny mponina, ny teratany vahiny monina any an-toerana, ny lehibe isan’ambaratongany mba hanao ny asany faran’izay haingana izy ireo ahitana ny marina. Eo ihany koa ny hanamafisana ny fisafoana mba hiarovana ny ain’ny vahoaka sy ny fananany amin’ny firongatry ny tsy fandriampahalemana. Fantatra ihany koa tamin’ny alalan’ny tranonkalan’ny ambasady frantsay fa nilaza ny minisitry ny Raharaham-bahiny frantsay, Jean-Marc Ayrault, fa mandray an-tanana ity tranga ity ry zareo. Voalaza fa manaraka ny antotan-taratasin’ady ny fampanoavana any Paris, nanomboka ny alarobia teo. Nisy rahateo ny fanatonan’ny teratany frantsay ny kaonsila eto an-toerana sy ny ivelany nanehoan’izy ireo ny hetahetan’izy ireo.

Yves S.



Source link

Famonoana vazaha tany Sainte Marie : nanao diabe nanerana ny tanàna ny mponina sy ireo vazaha any an-toerana (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.