400 ny isan’ny fangatahana famindran-toerana hiasana voarain’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena tamin’ity taona ity. Mialoha ny fidirana isaky ny taom-pianarana vaovao ny fandinihan’ny vaomera nasionaly momba ny famindran-toerana ireo antontan-taratasy voaray mandritra ny roa andro. Nanomboka ny alatsinainy teo izany any Taolagnaro tarihin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ireo sampandraharaha voakasika toy ny Dren sy ny Cisco. Betsaka ny fepetra jerena tsy hiteraka olana momba ny famindran-toerana. Anisan’izany ny isan’ny mpiasa efa am-perinasa amin’ny toerana hifindrana na hialana, eo koa ny lafiny ara-pahasalamana arahina porofo mazava…

Handray ny andraikitra ara-potoana mialoha ny daty fidirana amin’ny taom-pianarana vaovao avokoa ireo mpiasa nafindra toerana rehetra. Nanambara ny tale misahana ny mpiasa ao amin’ny minisitera fa hifarana ny volana septambra ny asan’ny tomponandraikitra tokana misahana ny fandraisana ny mpampianatra Fram 10 000 vaovao ho mpiasam-panjakana, amin’ny taona 2016.

Vonjy



Source link

Fanabeazana : 400 ny fangatahana famindran-toerana voaray (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.