Hotanterahina ny 29 aogositra hatramin’ny 3 septambra izao ny « Festival international de danse 321 », hetsika azo lazaina fa goavana indrindra eo amin’ny tontolon’ny dihy ankehitriny. Tanjony voalohany mantsy ny hampihaona ny samy mpamorona, ny avy amin’ny lafivalon’ny Nosy sy ny avy any ivelany.

Ho an’ny eto an-toerana àry, hiaka-tsehatra mandritra ity « festival » ity ireo efa matihanina avy any Mahajanga, Antsirabe, Toamasina ary ny eto Antananarivo. Ho tonga eto koa ny avy atsy La Réunion, Maorisy, Mayotte ary Mozambika. Hiparitaka amin’ny toerana maromaro ny fampisehoana, toy ny etsy amin’ny Tranompokonolona Analakely sy ny ao amin’ny Institut français de Madagascar (IFM).

Fa anisan’ny kendren’ny mpikarakara ity « festival » ity koa ny hanome sehatra ireo vao niroso eo amin’ny tontolon’ny famoronana soradihy fa tsy mpandihy fotsiny. Misy ny tetikasa « 321 » anofanana ireo mpamorona ireo. Mitotaly 28 ny isan’ny tetikasam-pamoronana narahin’ny mpikarakara. Notsongaina ny telo amin’ireo ka mbola hatsarain’ny matihanina iray avy any Borkina Faso. Anisan’ireo haseho mandritra ity hetsika ity ireo famoronana telo ireo.

Tsara ny manamarika fa hahazo sehatra kokoa ny piesy ahitana mpandihy iray na roa na telo. Izay no maha « 312 » ity « festival » ity.

Landy R.



Source link

« Festival de danse 321 » : hihaona ny samy mpamorona soradihy (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.