Misoroka mialoha. Hanamafy ny traikefan’ireo mpanao politika sy ireo sehatra hafa, toy ny firaisamonim-pirenana na koa mpitondra fivavahana sy ny mpitondra fanjakana ny eo anivon’ny Pnud. Hanomboka anio etsy Ankorondrano izany fampitana fahaiza-manao izany ary hiompana amin’ny fametrahana lamina mialoha hiatrehana ny fifidianana . « Tanjon’ny atrikasa ny hikatsahana ny fandalana ny demokrasia ahafahana miroso am-pilaminana amin’ny fifidianana mangarahara sy madio ary eken’ny rehetra sy tsy anilihana ny hafa », hoy ny fanambaran’ny Pnud ny herinandro teo. Anisan’ny lasitra hiangana ary hiadiana hevitra koa anefa ny sori-dalana avy amin’ny Sadc, nivoahantsika ny krizy ny taona 2011.

Tsiahivina fa 60 ireo solontenan’ny antoko politika nasaina amin’ity atrikasa ity ary ho avy koa ireo avy amin’ny fiarahamonim-pirenena.

Synèse R.



Source link

Fiatrehana ny fifidianana 2018 : hametraka arofanina tsy hikorontanana ny Pnud (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.