Hifandimbiasana. Votsotra teny am-pelan-tanan’ny ASCB sy ny BC4  ny anaram-boninahitra teo amin’ny Fiba 3×3. Norombahin’ny SBBC Boeny avokoa mantsy ny amboaran’ny “Challenge National” “Big Sôma 3×3” lahy sy vavy. Nanao pao-droa ity ekipan’ny mpampiantrano ity, ny faran’ny herinandro teo, tany Mahajanga.

Teo amin’ny lehilahy, nataon-dry Thierry, Joma sy Cisco ary Lala am-paosy ny lelavola 500.000 Ar avy tamin’ny orinasa Telma, mpanohana ôfisialy ny basikety malagasy, ho an’ny ekipa tompondaka. Lavon’ny SBBC tamin’ny isa 19 noho 17 mantsy ny Cosfa teo amin’ny famaranana.

Teo amin’ny vehivavy indray, lasan-dry Maevà Sanda, Fanja sy Sarobidy ary Lilia ny lelavola 400.000 Ar avy tamin’ny Telma. Nandresy ny JSB tamin’ny isa mazava, 21 noho 12, mantsy ny SBBC teo amin’ny famaranana.

Ankoatra izay, nozarain’ny Telma finday 4Gen kosa ireo nahazo ny voalohany tamin’ireo fifaninanana “tirs”, “dunk”.

M.N.



Source link

Fiba 3×3 – Challenge National : nanao pao-droa ny SBBC Boeny, nahazo 900.000 Ar (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.