Maka ny toerany aty Afrika koa ny Japoney. Nisokatra ny faran’ny herinandro teo, tatsy Nairobi Kenya ny fihaonambe iraisam-pirenen’i Tokyo ho an’ny fampandrosoana an’i Afrika (Ticad), andiany fahenina. Sambany ny handraisan’ny kaontinantan’i Afrika izany. Mitarika ity fihaonambe ity, ny Praiminisitra japoney,  Shinzo Abe ary atrehin’ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta maherin’ny 35 avy aty Afrika. Anisan’izany ny filoha Rajaonarimampianina. Nambaran’ny praiminisitra japoney fa hanokana vola hatrany amin’ny30 miliara dolara ho an’i Afrika izy ireo ato anatin’ny telo taona. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiasam-bola ho an’ny fanjakana sy ny tsy miankina, mitentina 10 miliara dolara ho fampiroboroboana ny fanorenana fotodrafitrasa.

Efa naka ny toerany aty Afrika  ny Sinoa

Nohamafisiny fa fanalahidin’ny fampiroboroboana ny toekarena ny lafiny indostria ka hanampy tosika izany amin’ny alalan’ny teknolojia avo lenta sy matanjaka i Japon.

Anisan’ireo nandaha-teny tamin’izany koa ny filoha Rajaonarimampianina.

Tsiahivina fa miompana amin’ny fanampiana an’i Afrika ho an’ny fampandrosoana azy ny lohahevitry ny Ticad, andiany fahenina, ity.

Etsy andaniny, efa naka ny toerany aty Afrika koa anefa ny Sinoa ary misandrahaka amin’ny lafiny maro izany.

Synèse R.



Source link

Fihaonambe Ticad fahenina atsy Nairobi : hanampy ara-bola sy amin’ny fotodrafitrasa ny Japoney (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.