Raikitra indray ny fakan-kevitra iarahana amin’ny Sadc. Anisan’ny nivoitra tamin’ny fandraisan’ny filoha Rajaonarimampianina ny mpanelanelana Chissano teny Iavoloha, omaly ny tombana ataony momba ny raharaham-pirenentsika. Fantatra tamin’izany fa hihaona amin’ny eo anivon’ny FFKM ny tenany. Anisan’ny nanao ny dingan’ny fampihavanana rahateo ny fiangonana. Hanontany ny tohin’izany ny Sadc ? Eo koa ny ho fihaonany amin’ireo filoha teo aloha telo eto an-toerana : Zafy sy Ratsiraka raha hihaona avy hatrany aminy anio, kosa Ravalomanana. Manampy ireo ny dinika hifanaovany amin’ireo lehiben’ny andrimpanjakana. Eo koa ny eo anivon’ny FFM. « Sambany izao fihaonako amin’ny filoham-pirenena izao nafahana nijery ny fanarenana ny firenena sy ny fampandrosoana… Eo koa ny fijerena ny fahamarinan-toerana politika eto sy ny lafiny toekarena… Haka ny hevitry ny rehetra izahay ary hitondra izany eo anivon’ny Sadc », hoy i Chissano. Tsy azo ihodivirana koa anefa fa anisan’ny anton-diany eto ny hanao tombana ny ho tohin’ny fampiharana ny sori-dalana, namahana ny krizy teto, taorian’ny fanonganam-panjakana ny 2009.

Synèse R.



Source link

Fikaroham-bahaolana : hihaona amin’ny FFKM i Chissano (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.