Dingana mbola lavitra ny fametrahana fanjakana tan-dalàna raha ny nambaran’ ny filohan’ny fitsarana ambony ao Toamasina, Ramananjatovo Harison, afakomaly. « Tsy ho tratra izany raha tsy manana fahaleovanteny ny fitsarana. Eo koa ny vola ho entiny miasa ary koa ny tombontsoany mifanaraka amin’ny lalàna », hoy izy tamin’ny fanamarihana ny faha-15 taona niorenan’ity fitsarana any an-toerana ity. Nitondra valin-kafatra avy hatrany ny filoha Rajaonarimampianina, niatrika izany lanonana izany nilaza fa malalaka amin’ny asany ny mpitsara. « Mila olona hendry sy mitandrina ny asany nefa koa sahy », hoy izy. Nanamafy izany ny minisitry ny Fitsarana, Andriamiseza Charles ka nampanantena ny hamaly ny hetahetan’ireo mpitsara. « Efa an-dalam-pandinihana izany ny fanjakana. Na izany aza, mbola sangany amin’ny fanaovana kolikoly ny fitsarana na efa nanao ezaka aza ny minisitera. Mbola ilaina hamafisina izany… Tsy mila fitaovana na famatsiam-bola kosa anefa ny fanovana toe-tsaina », hoy izy.

Synèse R. 



Source link

Filohan’ny fitsarana ambony Toamasina : « Ho sarotra ny fametrahana ny tany tan-dalàna » (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.