Lasan’ny ekipan’ny FC Etoile Blue ny finday Touchy, avy amin’ny orinasa Telma, sy ny lelavola 200.000 Ar. Izy ireo mantsy no tompondaka teo amin’ny «Tournoi Masculin Amateur», taranja futsal. Fihaonana notanterahina tetsy amin’ny Urban Futsal Andraharo, ny alahady lasa teo. Resin’ny FC Etoile Blue, tamin’ny isa 6 noho 3 teo amin’ny famaranana, ny FC Akama. Nahazo finday Wi-like sy lelavola 100.000 Ar kosa ity ekipa faharoa ity. Nitana ny laharana fahatelo ny Mada Agribusiness, izay nomen’ny Telma fahana 75.000 Ar. Ankoatra izay, mbola nomen’ny Urban Futsal fahazoana milalao mandritra ny adiny telo ao amin’ny kianjany ny ekipa.

Marihina fa tsy niala maina akory ireo ekipa 12 nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity fa nahazo fanomezana avy amin’ny mpikarakara sy ny Telma, mpanohana ny baolina kitra malagasy. Tsiahivina fa amin’ny maha “amateur” azy, fihaonana natokana ho an’ireo mpilalao tsy manana kara-pilalaovana eo anivon’ny ligy sy ny federasiona izy ity.

Torcelin



Source link

Futsal – «Tournoi Masculin Amateur» : tompondaka ny FC Etoile Blue (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.