Mamy ny miaina! Tsy nisy azo natao afa-tsy ny nitsambikina avy eny amin’ny rihana faharoa ho an’ireto dimy mianaka, nandritra ny haintrano, omaly maraina teny Isotry. Tranobe iray misy rihana roa ity nirehitra, tokony ho tamin’ny 6 ora teo ity. Kila forehitra ny rihana roa tamin’ilay trano, vetivety ny fiitaran’ny afo. Ny tao amin’ny farany ambany no nisy azo noraisin,a saingy potika ny entana noho ny rano niraraka avy any ambony. Mbola taraiky tany ambony ireto dimy mianaka izay tsy tafidina tany ambany intsony noho ny fijoalajoalan’ny afo. Voatery teny an-davarangana, teny amin’ny rihina faharoa izy ireo no nasaina nitsambikina mba nanavotana ny ainy. Notatazana bodofotsy avy aty ambany izy ireo. Nanahirana ihany izany satria, teo ny tahotra ho an’ireo olona ireo, ny toerana somary teritery.

Naratra, araka izany, ny renim-pianakaviana iray izay voadonan’ny lavarangana. Voalaza fa tapa-tanana izy io ary tena voa mafy. Naratra koa ny tongotry ny ankizivavikely 12 taona iray. Nalefa notsaboina eny amin’ny HJRA avy hatrany izy ireo, io omaly io. Tsy nisy azo noraisina ny ankamaroan’ny entana, vokatr’izany fahamaizana izany. Araka ny fanazavana, vokatry ny fipoahana herinaratra tamin’ny andrin-jiro teo akaiky eo nahatonga ny firehetana. “Izany ny antony nahatonga ny tany ambony nirehitra avy hatrany. Naheno nirefotra izahay, ary may ny trano avy eo. Efa in-droa io andrin-jiro io nisy olana. Nampandrenesina ny Jirama saingy nojerijeren’izy ireo fotsiny izany, ary izao nahitan-doza izao niafarany”, hoy ny filazan’ny olona.

Yves S.

 



Source link

Haintrano tetsy Isotry : 5 naratra nitsambikina (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.