Ny ankizy no fitaovana iray azo hamongorana ny fiparitahan’ny Vih/Sida sy ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo tsy voaaro raha mahazo ny fahalalana sy torohevitra mahomby izy ireo. Anisan’ny tanàna mandroso Toamasina satria miroborobo ny lafiny ara-toekarena noho ny fisian’ny seranantsambo. Mety ho voasarika ny ankizy sahirana hanao firaisana ara-nofo ahazoana vola na tombontosa hafa satria tsy mahalala ny voka-dratsin’izany hatramin’izay. Ho fisorohana izany, nofanina ny mpanabe eny amin’ny foibe sosialy 30 sy mpiandraikitra ONG 12 ary mpanabe olon-tsahala roa avy amin’ny orinasa Ambatovy momba ny firaisana ara-nofo sy ny otrikaretina azo avy amin’ny firaisana tsy voaaro. Tanjon’ny fiofanana ny hampahafantatra ny tanora sy ny ankizy ny fihetsika mety hitarika amin’ny fahazoana ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo raha tsy mitandrina.

Eo anelanelan’ny 10 -14 taona no mandray ny fanabeazana hipetraka mandra-pahalehibe ny ankizy, ka mety raha hamafisina ny fanentanana momba ny fananahana ara-pahasalamana sy fisorohana ny VIH/Sida.

Ankoatra ny fiofanana, nomena fitaovana (boky, fimailo…) koa ny foibe 17 misahana ankizy sy tanora. Manohana ny ankizy marefo ao Toamasina ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam). Zaza tsy nandia sekoly hatramin’izay na niala an-daharana izy ireo ka haverina indray any an-dakilasy. Niarahan’ny ONU-Sida sy ny Pam ny fanofanana, tany Toamasina ny volana jolay lasa teo.

Vonjy

 



Source link

Hanabe ny tanora marefo ao Toamasina : nofanina ny mpanentana momba ny VIH/Sida (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.