Nanafatra mpitsabo momba ny biby malagasy 10 ny ao Maorisy, hanampy amin’ny fanaovam-baksiny ny kisoa ao an-toerana hisorohana ny aretina fièvre aphteuse, araka ny vaovao nampitain’ny vaomieran’ny ranomasina Indianina (COI), ny faran’ny herinandro teo. Nanafatra vaksiny ahitana fatra 20 000 avy any Botswana ny tomponandraikitra maorisianina. Misy kavina 19 000 koa apetraka amin’ny sofin’ny kisoa vita vaksiny, kisoa nohafarana avy any Frantsa, izy ireo. Mitentina 34 000 euros ny vaksiny raha 4 000 euros ny kavina. Ho avy tsy ho ela any Maorisy ny ekipa veterinera malagasy hanampy amin’ny asa.

Efa am-perinasa manao vaksiny ny ekipa misahana ny fahasalamana avy amin’ny COI.  Nanampy amin’ny hetsika nahazoana ny tohana amin’ny vaksiny ny agence française de développement. Nalefa ny 19 jolay lasa teo ny fampilazana ny valanaretina fièvre aphteuse mpahazo ny kisoa, rehefa natao ny fanamarinana tany Rodrigues, izay niitatra tao Maorisy iray manontolo.

Vonjy



Source link

Hanao vaksiny : ho any Maorisy ny veterinera malagasy 10 (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.