Izay lazain’ny vava, tsy àry ho marina avokoa. Saro-piaro amin’ny kolontsainy ny Malagasy. Toa fomba filaza ihany io fa tsy ny tena izy. Hasarotam-piaro tahaka inona, ohatra, no hita amin’ny hira ? Fanontaniana saro-baliana noho ny fahitana ny fampifangaroana ny gadon-kira malagasy sy ny gadona vahiny. Toy izany koa ny tononkira, mampanentsi-tadiny noho ny fampiasana teny malagasy mifangaro teny vahiny… Sa ve izany no antsoina hoe, fikarohana sy fampivelarana ny kolontsaina malagasy ?

Tsy ny hira ihany fa saika ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy, iharan’io tranga io avokoa. Toa vitsy dia vitsy ireo « mpanakanto » sahy maneho ny kolontsaina malagasy tsy nolaroina « zavatra » hafa.

… Mety ho sarotra avadika ho vola angamba ilay kolontsaina malagasy ka aleo laroina kely amin’ny an’ny hafa. Soa ihany fa « angamba » !

HaRy Razafindrakoto



Source link

Haody : kabary zato, teny arivo ! (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.