Mihaino… Mampihatra avy hatrany ! Mpianatra mahafapo ny zaza sy ny ankizy. Vao henoiny indray mandeha ny hira, mby ao an-tsainy, aloaka ny vavany avy eo. Midika izany fa mpanabe ary tsy afa-miala amin’ny maha mpanabe azy izay ny mpanakanto sy ny mpanapariaka ny kanto toy ny haino aman-jery.

Mahatazona izay adidy goavana eo an-dolohany izay ve ireo sehatra roa ireo ? Hatreto aloha, tsia ny valiny. Samy minia tsy mahalala io adidy io ny sasany amin’ny mpanakanto sy ny mpikirakira haino aman-jery.

… Sao mba tokony hanaovana fanentanana manokana izy ireo ? Andraikitr’iza anefa ny hanao izany ? Fampahatsiahivana ihany, angamba, no tokony hatao fa ny andraikitra sy ny adidy anjaran’ny tsirairay ny manatanteraka izany.

HaRy Razafindrakoto



Source link

Haody : mpianatra mahafapo (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.