Anisan’ny laharampahamehana ho an’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny fampidirana ny ady amin’ny kolikoly ho taranja iray hampianarina any an-dakilasy mihitsy. Tsy ho tratra amin’ny taom-pianarana vaovao 2016-2017 nefa izany, fa tsy maintsy dinihina tsara ny lafiny teknika ahafahana manatanteraka ny asa ho matotra tsara, hoy ny fanazavana azo. Hetsika lehibe koa ny fanentanana ny mpiasan’ny fanabeazam-pirenena handà ny kolikoly. Fahatelo amin’ny fahazoana fitarainana momba ny tranga kolikoly ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena araka ny tatitry ny Bianco isan-taona.

Nametraka paikady iadiana amin’ny kolikoly ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ka nandray anjara avokoa ny talem-paritra amin’ny Dren 22, teny Antanimena. Rehefa vita ny paikady, hiezaka hahena ny tranga kolikoly mampitaraina ny vahoaka amin’ny fampidirana mpianatra, fanodikodinana ny fitaovana ho an’ny mpianatra…

Vonjy    



Source link

Hiady amin’ny kolikoly ny mpiasan’ny fanabeazana (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.