Hifamotoana etsy Ampandrana, anio maraina ny eo anivon’ny KMFB Zo-Saf hikarakara fitrandrahan-kevitra ho vatsin’ny mpikambana miantsehatra. Lohahevitry ny dinika : « Ny KMFB Zo-Saf saropiaro manao andrimaso ho an’ny fanjakana tan-dalana sy ny zon’olombelona ». « Kendrena amin’izany ny hahamasaka ny hevitra sy ny tetika fijoroana eny an-tsehatra », hoy ny fanambarana voaray, omaly.

Etsy andaniny, tsipahin’izy ireo ny fisian’ny KMFB hafa manao fanambarana tato ho ato. « Tsy izy ireo. Zatra nisalovana ny anarana teny amin’ny Magro, ary mitondra ny anarana mihodinkodina amin’ny làlana « tsy mazava intsony. Hafa kosa ny KMFB-ZoSaf, hany mijoro ara-dalàna manohy ny làlana nosafidiana ara-tantara. Safidy ara-tantara ny manao fady ny barofo politika, efa nampitondra faisana antsika, ary manao fady koa ny fitondrana salobokomana, mampahory vahoaka »,  hoy Raveloson Constant.

Synèse R.



Source link

Hitrandraka hevitra ny KMFB Zo-Saf (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.