Nalain’ny jiolahy an-keriny teny Ankorondrano, raha vao nivoaka ny tranony ny teratany maorisianina iray, antsoina hoe Raj Doolun. Araka ny vaovao nivoaka tamin’ny Le Mauricien.mu, ny asabotsy teo nitrangan’ity fakana an-keriny ity, ary tsy hita popoka izy io hatramin’izao. Ity farany izay voalaza fa tale jeneralin’ny orinasa Uditec ary solontenan’ny marika Samsung eto Madagasikara. Tsy hita izy, ary mbola tsy nahazoam-baovao momba azy. Ny fianakaviana tsy mety milaza ny momba izany noho ny tahotra, kanefa kosa efa nahazo fampandrenesana momba ny tranga ny masoivohon’izy ireo.

Rehefa nanontaniana momba ity fakana an-keriny ity kosa ny teo anivon’ny mpitandro filaminana, nilaza fa tsy mahalala ny momba izany. Ny sasany aza niteny mihitsy fa tsy nisy izany. Tsy nisy ny fampilazana tonga teny amin’ny mpitandro filaminana. Araka izany, toy ny tsy misy ilay tranga rehefa tsy nisy ny fitoriana? Milaza izay lehibe nanontaniana fa tsy azo hamaivanina ny raharaha, rehefa misy toy izao. Mafampana rahateo ny raharaham-pirenena ka mifamahofaho eo ny resaka.

Yves S.



Source link

Kidnnaping : Maorisianina iray nanjavona (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.