Ny ekipan’ny Ajesafa ihany no tompondakan’ny ligin’Alaotra-Mangoro 2016, eo amin’ny sokajy vehivavy, ary hisolo tena ny faritra, any Mahajanga, amin’ny fifaninanam-pirenena. Tamin’ny alalan’ny fandakana ny “Tirs au but”, ny 3 noho 1 nandreseny ny Bôrôsô avy any Andilamena, nandritra ny famaranana natao ny 20 aogositra, lasa teo. Nisaraka ady sahala 1 sy 1 ny roa tonta tao anatin’ny fe-potoana ara-dalàna.

Marihina fa nifandona avokoa ireo ekipa efatra mivondrona ao anatin’ny ligin’Alaotra-Mangoro, vao tonga teo amin’io famaranana io. Tsy nahatonga solontena kosa Amparafaravola sy Anosibe an’Ala.

 ”Tsy misy mpanohana fa saika mpihavana daholo ireo mpilalao”, hoy Razafilahy Rémi, filohan’ny seksiona.

Sekoly mamolavola sy mampianatra ankizy amin’ny baolina kitra kosa ny Ajesa Fanilon’Ambatondrazaka, araka ny filazan’i Marolahy. Efa mahatratra enina kosa ny ekipa vehivavy ao Moramanga, raha ny fanambaran’ny filohan’ny seksiona, Danatien Ligiani.

  Rarivo



Source link

Kitra Alaotra-Mangoro : Tompondaka ny Ajesafa (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.