Hanainga, amin’ity talata ity, ny Barea de Madagascar, hiatrika ny lalao farany tafiditra amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana, amin’ny “Can 2017”. Fihaonana, hikatrohana amin’i Angola.

 

Noho ny tsy fahampian’ny enti-manana, tsy misy afa-tsy mpilalao 17 ny mandrafitra ny Barea de Madagascar, hiatrika ny lalao fifanintsanana farany, ho an’ny “Can 2017”. Fihaonana miverina hifandonana amin’ny Palancas Negras avy any Angola, ho an’ny vondrona “B”. Ny asabotsy 3 septambra ho avy izao ny hanaovana ny lalao ao amin’ny kianja Luanda.

Nanainga, io maraina io, ny Barea. Mahatratra 6 ireo mpilalao mila ravinahitra nantsoina ka lohalaharana ny telo. Ny iray irakiraka ary ny roa, vodilaharana. Ankoatra izay, nisy ireo mpilalao vaovao, miisa 5 nantsoina. Nomarihin’i Raux Auguste, mpanazatra, fa notilina nandritra ny fifaninanam-paritra farany teo ary hita fa manana ny fahaiza-manaony. Tsy afaka kosa fa mbola voatazona noho ny lalao ataon’ny kliobany i Dafé sy i Zotsara. I Rinjala kosa, vao tonga ao amin’ny kliobany ka tsy mbola manana fotoana. Nambaran’i Raux Auguste hatrany fa nalalaka ny tenany tamin’ny fifantenana ireo mpilalao. “Fantatro avokoa ary mpilalao efa nentiko ireo nantsoiko ireo. Efa narahi-maso ihany koa ny lalao rehetra nataony”, hoy izy.

Tsy misy lanjany intsony ity lalao hikatrohana amin’ny Palancas Negras ity satria efa tsy manana herijika hiatrehana ny “Can 2017” intsony ny Barea, izay mitana ny laharana farany, ao anatin’ny vondrona misy azy. Na izany aza, horaisin’ny mpanazatra sy ny federasiona ho fihaonana goavana, satria zava-dehibe ny fahazoana fandresena any an-tanin’olona ary mba ho voninahitry ny baolina kitra malagasy.

Tsiahivina fa nisaraka ady sahala samy tsy nisy nitoko ny Barea sy ny Palancas Negras, nandritra ny lalao mandroso ny 6 septambra 2015, tetsy Mahamasina.

Tompondaka

Ny lisitry ny mpilalaon’ny Barea :

Mpiandry tsatoby : Leda (Cnaps Sport) ; Chretien (AS Adema)

Vodilaharana : François (Tana Formation) ; Tantely (AS Adema) ; Yasser (Som-Fosa Junior) ; Mario (Som-Fosa Junior) ; Mamy Gervais (JS St Pierroise La Réunion) ; Pascal (Arras FC Frantsa)

Irakiraka : Jean Stephan (Red Star Frantsa) ; Ando (Ajesaia) ; Fortunat (Cnaps Sport) ; Dina (Tana Formation)



Source link

Kitra – «Can 2017» : mpilalao 17 ihany no hanafika any Angola (NewsMada)
Tagged on:

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Time limit is exhausted. Please reload the CAPTCHA.